Slider
“Raha ny oloko izay nantsoina tamin'ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin'ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hanasitrana ny taniny.”
II Tan 7.14
Banner Shadow

Tohivakan’ny Fahamarinana

Ny Chaine d’Honnêteté na Tohivakan’ny Fahamarinana dia fikambanana kristiana, tsy manao politika, miady amin’ny kolikoly ary mikendry ny hamerenana ny fahamarinana eto Madagasikara. Ny tanjony dia ny hampiombona ireo kristiana rehetra, n’inona n’inona anaram-piangonana.

Razafiarison Emilien, Mpitandrina, tonian’ny Fikambanana Mpiara-Mamaky Baiboly no nanorina azy tamin’ny taona 1987. Tamin’izany fotoana izany, dia efa tena nihahaka tamin’ny sehatrasa maro teto amin’ny firenena ny kolikoly.

Filan-kevi-mpitantana

IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA AMMI

FJKM

Ny mpitandrina IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi dia nahazoa ny Maîtrise en Théologie sy ny Master en Théologie tao amin’ny Faculté de Théologie FJKM Ambatonakanga. Mpampianatra nandritra ny taona maro tao amin’io Faculté de thélogie io izy, ary efa nampianatra nandritra ny 25 taona teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, Faculté des Lettres . Izao dia Filohan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) izy ary nomen’ny Tompo ny vina lehibe manentana izany Fiangonana izany ankehitriny, manao hoe: “Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara!”

REVEREND RAHARIJAONA DAVID

Fiangonana Anglikana

Rev. RAHARIJAONA David Helson dia Presbytera Anglikana, manambady, niteraka mianadahy ary manana zafikely iray. Voatendry ho Presbytera tamin’ny 01/02/98. Mitondra ny Paroasy Trinite Masina Avaratranjoma ankehitriny sady Tomponandraikitry ny Arsidiakoneria afovoany eto amin’ny Diosesin’Antananarivo (Tana-Miarinarivo-Itasy, Tana –Mahatsinjo Mahajanga).
Administrateur tao amin’ny Kolejy Teolojika Ambatoharanana ny taona 1990-2001 . Tao no nandray ny antson’ny Tompo dia niomana ho Presbytera. Voatendry ho talen’ny toeram-panofanana Laika (evanjelista sy mpiandry) tamin’ny taona 2001 ka hatramin’izao. Solontenan’ny Diosesin’Antananarivo ao amin’ny Departement d’évangelisation aty Province Ocean Indien. Tompon’andraikitra amin’ny anjara fandaharan’ny Anglikana ao amin’ny RVM (Radio Vaovao Mahasoa ) nanomboka ny Janoary 2007 ka hatramin’izao. Voatendry ho solontenan’ny Fiangonana Anglikana (EEM) ao amin’ny Chaîne d’Honnêteté.

RAMAHOLIMIHASO SOLOFO

FJKM

Ramaholimihaso Solofo dia Mpitandrina FJKM, ao amin’ny FJKM Isotry Fitiavana. Manana mari-pahaizana Maîtrise de Théologie avy ao amin’ny Faculté de théologie protestante de Strasbourg. Mpampianatra ny fandinihina Baiboly ihany koa izy, tao aorian’ny nahazoany ny mari-pahaizana Diplôme Supérieur d’Etudes Bibliques (DSEB de l’Institut Catholique de Paris). Nanorina ny Ecole des Disciples d’Isotry Fitiavana (EDIF) mba hitarihana ny mpino ho tena mpianatr’i Jesoa Kristy (disciple). Mandray anjara amin’ny fandaharana “Mana isan’andro” iarahana amin’ny Fikambanana Mpiara-Mamaky ny Baiboly. Mpanatontosa ny fandaharana “Mandeha mendrika ny fiantsoana” ao amin’ny Radio Vaovao Mahasoa (RVM).

IMBOASALAMA RAKOTONJANAHARY

FLM

Pastora RAKOTONJANAHARY Imboasalama dia Pastora Loterana. Manambady ary manan-janaka 4 mianadahy. 
Nianatra ho Pastora tao amin’ny STPL Bezaha (1996-2000) ary nahazo ny Diplaoma Pastoraly. Nanao ny Bakalorea amin’ny Teolojia tao amin’ny STPL Bezaha ihany ny taona 2001-2002 ary nahazo ny Diplaoma Bakalorea amin’ny Teolojia. Vita ordinasiona ho Pastora Loterana tao amin’ny FLM Betesda Betroka tamin’ny 2000. Sekreteran’ny SPBA (Synodam-Paritany Betioky Atsimo) ny taona 2003-2007. Filoha lefitry ny SPAB (Synodam-Paritany Andriry Betroka) sady mpitondra Fileovana Betesda ny taona 2008-2012). Mpitondra Fitandremana Ambatovinaky ny taona 2016 ka hatramin’izao. Efa tonian’ny SKOTO Loterana/SPAB ny taona 2008-Tonian’ny FiFiL/SPAnta ny taona 2016-2020. Mambran’ny KSL ny taona 2004-2008, 2008-2012, 2016 – Komity Nationaly FiFiL ny taona 2016-2020. 

RAZAFIARISON LILIE

FMMB

Razafiarison Lilie dia vady navelan’i Razafiarison Emilien, Mpitandrina. Nianatra tany amin’ny Institut Biblique Emmaus tany Soisa sy ny ny Faculté de Théologie Vaux sur Seine tany Frantsa izy. Niara-niasa akaiky tamin’ny vadiny tamin’ny nametrahana ny Fikambanana Mpiara-Mamaky Baiboly (FMMB) teto Madagasikara. Manao zava-dehibe ny fampianarana Baiboly amin’ny alalan’ny boky Mana isan’andro sy ny fandaharana radio sy amin’ny alalan’ny kasety sy ny CD fitoriana ny Filazantsara izy. Nandray anjara mavitrika tamin’ny fitoriana amin’ny vehivavy izy ; nampijoro ny Pacwa teto Madagasikara ( Panafrican christian women alliance).
Samy resy lahatra izy mivady fa ny fahamarinana no manangana ny firenena araky ny II Tantara 7.14 ka nampijoro ny Chaïne d’Honnëtété na ny Tohivakan’ny Fahamarinana. Ankehitriny dia mampianatra ny famakiana ny Baiboly, manofana katekista sy manampy amin’ny fanaovana trano fiangonana ataon’ireo katekista amperin’asa nianatra tao amin’ny Toby Kristy Voahombo District Analalava.

DÉSIRÉ RABENIFARA

FMMB

RABENIFARA Andriamihanta Solofo Désiré. Manam-bady ary niteraka dimy mianadahy. Niaraka tamin’i Pasitera Emilien Razafiarison tamin’ny fanombohan’ny hetsika Tohivakan’ny Fahamarinana (1987).
Mpikambana tao amin’ny komity Foiben’ny Fikambanan’ny Mpiara-Mamaky ny Baiboly eto Madagasikara (1997-2013), Filoha Nasionaly (2013 – 2017). Mpanoratra sy mpanao fandaharana Mana isan’andro. Filohan’ny FMMB teto amin’ny Oseana Indiana (2013-2015). Namorona sy Filohan’ny tarika Ny AKO, sampana artistikan’ny FMMB, mitory ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny seho an-tsehatra (1987 hatramin’izao).
Nanaraka ny fiofanana Haggai Institute tany Maui, Hawai, USA tamin’ny taona 2001. Mpanofana ao amin’ny MAHAI, sampana malagasin’ny Haggai Institute. Mpanorina sy Filohan’ny C.E.E.A (Centre d’Entraide des Enfants d’Ankazomga), fikambanana manohana ankizy sahirana ara-pianarana, ara-tsakafo ary ara- pahasalamana.
Nianatra taranja fizika teny Ankatso (1981-1985)

TIANA FANANTENANA

Radio Vaovao Mahasoa

Razafindrakoto Tiana Fanantenana manambady ary manan-janaka roa. Zanaka faravavin’ny mpanompovin’Andriamanitra Marthe Hervée izy. Efa hatramin’ny fony kely no efa naniry ho tonga dokotera izy, koa dia nanaraka ny lalam-piofanana ho mpitsabo taorian’ny Baccalauréat ary nivoaka ho Dokotera tamin’ny taona 2003. Nanokatra ny Toeram-pitsaboana Fanantenan’ny Vonokandresy ao Ankasina Antananarivo tamin’ny volana Janoary 2017, ivo-toerana andraisana sy hitsaboana ary
hitondrana am-bavaka ny marary. Tamin’ny 28 Mai 1988 no nanekeny an’i Jesoa ho Tompoko sy Mpamonjy azy. Izy no antom-pisiany ary ny hanao ny sitrapony no fifaliany. Ny filamatra hitondran’ny fiainany isan’andro dia ny ho velona ho an’ny hafa hahatonga ny hafa hahafantatra sy hiaina ny fitiavan’I Jesoa Kristy azy manokana. Raisiny ho tombom-pahasoavana nomen’ny Tompo azy ny ahafahany manompo eto anivon’ny Chaine d’Honneteté, hizarana amin’ny Malagasy rehetra fa te sy afaka hamonjy antsika io Jesoa io raha raisintsika ho antsika ary hiainantsika ny fahamarinany.