Efa niharan’ny kolikoly mivantana ve ianao na nandà ny tsy hanao izany teto Madagasikara?

Azonao alefa ve ny fijoroanao vavolombelona?

Tena ilaina amin’ny ady amin’ny kolikoly ny fihetsika toy izany.Manampy ny hafa hahalala ny momba azy et hankahery fa azo atao tsara ny miady amin’ny kolikoly.
Ny fijoroanao vavolombelona dia tsy ampahafantarina olona. kolikoly ny fihetsika toy izany.Manampy ny hafa handray ny tandrify azy sy hankahery azy,amin’ny ahafantarany fa azo atao tsara ny miady amin’ny kolikoly.

Ny fijoroanao vavolombelona dia tsy ampahafantarina.

Mijoroa vavolombelona

LISITRA NY FIJOROANA VAVOLOMBELONA

Famoahana entana eny Ivato

Namoaka entana teny Ivato aho tamin’ny 3 janoary. Voavezivezy tetsy sy teroa hoe tsy ao ny tompon’andraikitra sns. Tsy nahataitra ahy izany fa nanana fitsaharana anaty aho hiatrika izay miseho ary tsy hanao kolikoly mihintsy. Ny olona tao aoriako anefa toa efa zatra izay fanaon’izy ireo ka voaray tsara daholo sady vetivety dia nahavita ny… Hamaky bebe kokoa “Famoahana entana eny Ivato”

Visite technique : Inapte lasa apte

Rehefa nanao visite technique ny fiara dia nisafidy ny tsy hanao kolikoly mihitsy. Tsy nametraka vola teo amin ny vitesse toy ny fanaon’ny olona. Vokany inapte dia hoe miverina afaka 1 volana. Niandry ny famoahana ny papiers amin’izay. Fanamarihana: nisy olona niaraka niandry papiers taminay. Izy dia nanome vola ireo mpitsara fiara. Nony nivoaka ny… Hamaky bebe kokoa “Visite technique : Inapte lasa apte”

Tsy voatery hanao kolikoly vao tafiditra ho mpiasam-panjakana

Faniriako hatramin’ny ela ny ho mpiasam-panjakana. Nivavaka mafy aho alohan’ny andefasako dossier dia tafiditra ho mpiasam-panjakana soa aman-tsara, na dia tsy raikitra aza. Tsy nandoha vola na Ariary aza ary tsy nahafantatra olona. Mbola mivavaka mafy aho ary mino fa hain’Andriamanitra ny mampiditra ahy ho fonctionnaire EFA. Tsy hanao kolikoly aho. Mahatoky ny tenin’Andriamanitra hoe:… Hamaky bebe kokoa “Tsy voatery hanao kolikoly vao tafiditra ho mpiasam-panjakana”