Tsy voatery hanao kolikoly vao tafiditra ho mpiasam-panjakana

Faniriako hatramin’ny ela ny ho mpiasam-panjakana. Nivavaka mafy aho alohan’ny andefasako dossier dia tafiditra ho mpiasam-panjakana soa aman-tsara, na dia tsy raikitra aza. Tsy nandoha vola na Ariary aza ary tsy nahafantatra olona. Mbola mivavaka mafy aho ary mino fa hain’Andriamanitra ny mampiditra ahy ho fonctionnaire EFA.

Tsy hanao kolikoly aho. Mahatoky ny tenin’Andriamanitra hoe: “Ary ny zanako sy ny asan’ny tanako dia aoka ho adidiko ihany”